Toekarena

Mpisehatra ifotony amin’ny lavanila “Ho potika ity sehatra ity raha izao no mitohy”


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena, praiminisitra, minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary fanjifana, minisitry ny toekarena sy ny vola,

minisitry ny fambolena sy fiompiana, minisitry ny atitany sy fitsinjaram-pahefana omaly ireo mpisehatra ifotony amin’ny fihariana Lavanilina mivondrona anatina koperativa maromaro. Marary ny seha-pihariana Lavanilina, hoy izy ireo niakatra teto an-drenivohitra, ary mafy lavitra noho ny COVID 19 izany. Avy amin’ny distrika miisa 4 ao amin’ny faritra SAVA moa izy ireo raha ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina. Nisy ary mbola hisy, hoy izy ireo, ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana voalaza teo mba hahafahana mametraka ny tetiandrom-piotazana mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Rehefa mbola tsy milamina ihany koa ny vidiny hifanarahana amin’ity vokatra ity dia hitabataba eto foana izahay. Misy foana ny fanambakana matoa mivondrona ireto tantsaha ireto. Isany ady goavana hatrehina ny resaka halatra lavanilina sy ny trafika tsy ara-dalana mikasika izany. Isany mahatonga izany ny tetiandrom-piotazana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Ilay Lavanilina efa matoy nefa mbola tsy tonga ny fotoam-piotazana. Avereno eny amin’ny fokontany ny fanomezana ny tetiandrom-piotazana. Nangataka fahefana feno tamin’ireo minisitera rehetra ireo izahay ahafahana manoro ireo mitsikombakomba na manao kolikoly mikasika io fihariana Lavanilina io. 3 volana izahay tsy matory andro aman’alina miambina ny vokatray. Ho potika ny kalitaon’ny Lavanilina malagasy raha izao no mitohy, hoy hatrany izy ireo, nampaneno lakolosy. Tsy manana anjara toerana sy sehatra ifampidinihana ny mpamokatra manoloana ireo rafitra isan-karazany najoro hisahana ny fihariana Lavanilina toy ny CNV, CTP, CRV, hoy izy ireo.
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT