Toekarena

Mpisehatra ara-pizahantany Tofoka amin’ny ataon’ny minisitra sy ny fanjakana


  • Zoma 18 Martsa 2022

Diso fanantenana ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany, nanantena minisitra vaovao, kanefa ny teo ihany no teo eo anatrehan’ny famerenana an’Atoa Joël Randriamandranto eo amin’izany toerana izany.

Voalaza fa efa maro ny fihaonana, kanefa betsaka ny fampanantenana tsy tanteraka. “Antenainainay fa tsy hiverina ny resaka valizy misy kodiarana nampimenomenona ny mpandeha, tsy ekena ny fihibohana 48ora satria efa nanao fitiliana 72ora nialoha ny mpandeha. Io fepetra io izay ahiana ho misy tetika fitadiavam-bola be ambadika iarahana amin’ireo hotely miombon’antoka, mandeha ny fitadiavam-bola amin’ny endriny maro tahaka ny fitiliana handoavana 25 euros na 100 000 Ar eo ho eo. Mangataka ny hiverenan’ny sidina rehetra ho afaka hiasa ihany koa ny sehatry ny fizahantany satria miteraka fidangana ny fanavakavahana tsy misy afatsy ireo kaompania taloha”, hoy ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. Manitrikitrika ihany koa ireo mpisehatra, fa tsy ekena ny hetra alaina amin’ny mpandraharaha. Nomarihin’izy ireo rahateo ny vola miditra amin’ny fizahantany ihany no ahafahana mandoa hetra. Tsy nisy mpitsetra sy tsy nisy mpijery anefa izy ireo kanefa tsy niditra ny mpizahatany. Nisy ny fanampiana sy tohana tokony haompana amin’ny toekarena tamin’ny fotoana nampahery vaika ny fizahantany, saingy tsy noraharahian’ny Fanjakana velively ireo orinasa lasibatra, ka tafiditra tao anatin’izany ny sehatra ara-pizahantany. Marina fa novoizina ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny, saingy tsy nahatsentsina velively ny banga. Raha ny fanambarana efa nataon’ny Vondron’ny mpandraharaha malagasy moa, dia nahatratra 3900 miliara Ar ny fatiantoky ny sehatra ara-pizahantany teto Madagasikara nandritra ny roa taona.
NAMPIDI-DOZA NY HAGEGEN’NY FANJAKANA
Ahiana hiverina any amin’ny “Annexe B” indray i Madagasikara amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka tamin’ilay resaka fandrarana ny valizy misy kodiarana sy ny solosaina enti-tànana tsy hatao entana enti-tànana, izay ny Minisitry ny fizahantany no niaingany, ary nanajabaka ny minisitry fitaterana teo aloha. Tsy nakana ny hevitry ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), tsy nanaja ny fenitry ny OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale). Nilatsaka ny sazy, taorian’izay ka nongotana tamin’i Madagasikara ny fampiantranoana ny “AVIADEV2022” tokony hatao eto ny volana jona. Kaompania anabakabaka maherin’ny 700 maneran-tany no mandray anjara, izany hoe: fotoan-dehibe hisintonana ihany koa ny mpizahatany, saingy votsotra noho ny hagegen’ny mpitondra, izay tsy manangana fa toa mandrava hefa hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT