Toekarena

Mpiasan’ny QMM RIO TINTO Nanampy ireo mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Nahazo fanampiana tamin’ireo sendika ireo mponina ao Andrakaraka, Emanaka, Ampasy Nahampoana voakasik’ilay toerana fitrandrahana fasimainty tanterahin’ny orinasa QMM Rio Tinto any Tolagnaro.

 

 Raha araka ny fantatra mantsy dia vao mainka nihamafy ny fahasahiranan’izy ireo, indrindra taorian’ny fihibohana no mankaty.Ny sendikan’ny mpiasa ahitana Svs na ny “Syndicalisme et Vie des Societe” sy ny sekrima na Sendika KRistianina MAlagasy no nanolotra izany nahitana “pulverisateur”, savony, “eau de javel” , ary vary sy voamaina mahavita ny isam-batan’olona isan-tokatrano. Tokantrano miisa 410 eo ho eo ahitana olona miisa 1500 no nahazo tombontsoa tamin’izany. Nifarimbonanan’ireo sendika roa tonta niarahana tamin’ny fikambanana “Gat Fort” izao hetsika fanampiana izao. Ny USW na ny “United Steel Workers” izay fikambanan’ny sendikan’ny mpiasa any Canada no namatsy vola ny hetsika. Tsiahivina moa fa sambany no nisy nijery tahaka izao ireto vahoaka sahirana ao Andrakaraka, Emanaka, Ampasy Nahampoana ireto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT