Toekarena

Mpiasan’ny orinasa SIRAMA Miantso ny fanjakana ho sahy handray andraikitra


  • Zoma 08 Febroary 2019

Mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny SIRAMA Nosy Be faritra DIANA sy Brickaville. Tsiahivina fa efa am-bolana maro ity tolona ataon’ny mpiasa ity ary mitohy tsy mety milamina hatramin’izao.

 

Antony ny tsy faneken’izy ireo hiara-kiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka Compagnie Vidzar noho ny tsy fahombiazana amin’ny fanarenana ny orinasa SIRAMA. Nanambara izy ireo fa ny kitrano an-trano nataon’ny fitondrana HVM tamin’io mpiara-miombon’antoka io no fositra nahatonga ny orinasa lasa mitsipozipozy hatramin’izao. Tofoka tanteraka ireto mpiasa mitolona ireo ary nilaza mihitsy fa fanapotehana no atao fa tsy fanarenana. Manoloana izany indrindra dia antso avo no ataon’ireo mpiasa ary mangataka ny fidinana ifotony ataon’ny fanjakana. Nahavelom-bolo hoy izy ireo ny hafatra napetraky ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fianianana nataony ny amin’ny ady amin’ny kolikoly. Araka izany dia mangataka ny  hisian’ny tolo-bidy (appel d’offre) mangarahara ialàna amin’ny kolikoly izy ireo satria izany ihany no ahafahana mampihodina indray ny orinasam-panjakana SIRAMA. Tokony hojerena akaiky ity raharaha ity satria asa fivelomana maro no voasaringotra ary misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena any an-toerana ny fihodinan’ny orinasa.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT