Toekarena

Mpiasan’ny ladoany Niato aloha ny fitokonana


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Tapaka taorian’ny fivorimben’ny mpiasan’ny fadin-tseranana, fa nitsahatra nanomboka omaly ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany, mba hitsinjovana ireo mpandraharaha,

 araka ny fanazavan’ny mpitarika ny sendikan’izy ireo. Tao anatin’ny 3 andro monja dia ana miliara maro ny fatiantok’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina noho ny fitokonana, ary nisy mihitsy ny orinasa voatery nandroaka mpiasa satria sady tsy afaka nanondrana entana any ivelany no tsy afaka mampiditra izy ireo, hany ka nikatso tanteraka ny asa. Manginy fotsiny ny faharavan’ny fifampitokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka any ivelany. Tsy tonga ara-potoana any amin’ireo mpiara-miasa any ivelany ny entana, ary tsy tafiditra eto Madagasikara ihany koa ireo akora fototra ilaina isan’andro amin’ny fampihodinana ny orinasa ka niantsoan’ny mpandraharaha avy amin’ny GEFP (Groupement des entreprises franches et partenaires) sy ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) antso avo amin’ny famahana ny olana. Nivaha amin’ny ampahany aloha ny olana ho an’ireo mpandraharaha, saingy tsy tena afaka matoky satria milaza ny hiverina hitokona ny mpiasan’ny ladoany ny alarobia 7 jolay izao raha tsy mivaly ny fitakiana. Tsiahivina fa takian’izy ireo ny fomba fikajiana ny mari-karama, izay ambara ho efa lany andro ka tokony hovana. Nisy ny baiko sy ny fandrahonana avy amin’ny fanjakana amin’ny tsy maintsy hiverenan’ny mpiasa ambony ao anatin’ny “cadre A” sy “cadre B” amin’ny asany fa raha tsy izany dia ho tapaka ny karama.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT