Toekarena

Mpiasan’ny fizahan-tany 8 volana tsy niasa sy tsy nikarama


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Ny fizahan-tany no sehatra tena voakasikin` ny valanaretina Covid 19 izay mamelona olona an` alina eto Madagasikara. Hany ka niteraka krizy ara-tsosialy indrindra any amin`ireo toerana tena mahasarika mpizahan-tany izany.

 

 

 Araka ny tatitra nataon` ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM) ny volana aogositra lasa teo dia “asa mivantana 44 000 no potika noho ny aretina COVD-19. Ny 37 882 ho an` ireo trano fandraisam-bahiny sy trano fisakafoanana, miampy ireo mpisera-dia 2 500 isa. 98%n` ireo mpiasa no voatery naiditra fiantohana ara-teknika. Raha tsy nisy ity krizy ity dia asa 5 000 no niforona noho ireo orinasa vaovao misehatra amin`ny fizahan-tany. Ankoatra ireo asa mivantana dia maherin` ny 300 000 kosa ireo asa tsy mivantana saingy nifampiankina tamin` ity sehatra ity. Mitentina 475 tapitrisa euros na 2 137,5 miliara ariary no vola very ho an` ny fizahan-tany”. Manamafy izany ihany koa ny tatitrin` ny « Enquête à Haute Fréquence par Téléphone auprès des ménages » (EHFTM) izay nanambara fa “nihena 83% ny vola niditra ho an`ny lafin` ny fizahan-tany”. Raha hanaovana jery todika ireo fatiantoka ireo toerana be mpitsidika dia tena misedra olana goavana ity sehatra ity. Ho an`ny nosy Sainte-Marie, mpizahan-tany 11 735 no nitsidika azy teo anelanelan` ny volana jona sy septambra ny taona 2019. Marihana fa nahatratra 4 182 ireo mpitsidika ny volana aogositra, hoy ny tatitra ofisialy. Ho an` Antsiranana dia 90% ny fatiantoka ho an`ireo mpandraharaha eo amin`ny sehatry ny fizahan-tany any an-toerana. Ao anatin` ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny moa isika ka maro ireo fiaraha-miasa miaraka amin` ny antenimieran` ny varotra sy ny indostria (CCI) napetraka iatrehana izany, toy ireo tolotra sy fihenam-bidy samihafa, hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon` ny CCI any an-toerana. Hatreto aloha dia manampy trotraka ny fanakatonana sisintany. Eo ihany koa ilay naoty avy amin`ny ACM mandrarara firenena 16 hiditra eto Madagasikara ka 9 amin`izay ireo no firenena avy any Eoropa kanefa ny eoropeanina no tena mpanjifa voalohany. Mbola manjavojavo ny fanarenana ny fizahan-tany. Efa manakaiky ihany koa ny “haute saison” indrindra ny volana desambra izay fotoana mampandeha ny tsena. Saingy raha izao no mitohy dia ho kely fanantenana. Marihana fa nanomboka ny volana martsa no nanomboka nikatona sisitany teto amintsika noho ny valanaretina Covid 19 ka valo volana aty aoriana dia mbola mamela takaitra ho an`ireo mpisehatra. /

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT