Toekarena

Mpiasan’ny fanabeazana Mitaky ny fampiakaran-karama 50 000 Ariary


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Nivory tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ny teo anivon’ny Sendikan’ny Mpiasa SPAEM (Syndicat du Personnel Administratif et Enseignant de Madagascar).

 

 

Nisy ny famelabelarana arahina adihevitra nampahafantarana ny Zo sy Andraikitry ny mpiasa satria  maro no tsy mbola mahalala izany. Tanjona ny hanatsarana ny rafi-pampianarana sy ny tontolon’ny asa fanabeazana ary hiarovana ny zon’ny mpiasa sy ny tombontsoany. Tamin’ity fihaonana ity dia nangataka izy ireo ny hahazoan’ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka ny fiakaran-karama 50 000 Ar ary tsy hisy mihitsy ny fitanilana. Tsy tokony ho fitakiana intsony no hatao fa efa fanatanterahana nanomboka ny volana janoary lasa teo, hoy ny tompon’andraikitra. Ankoatr’izay dia mangataka ihany koa ny mpiasa mba tsy hisy intsony ny famindran-toerana tsy ara-dalàna (affectation abusive) ataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny CISCO sy DREN tahaka ny nahazo ireo mpiasa miisa 100 tamin’ny taon-dasa. Nanao antso avo ihany koa izy ireo ny tsy tokony hampidirana politika intsony ny sehatra fanabeazana izay mahataraiky hatrany io sehatra io eto Madagasikara. Izany hatrany no miteraka olana sy sakana, hoy ny mpitondra tenin’ny SPAEM ka tsy mampandeha mihitsy ny sehatra fanabeazana eto amin’ny firenena ary tokony hosongonana haingana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT