Toekarena

Mpiasan'ny AAA - Tiko Mitaky hatrany ny hanokafana ny orinasa


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Tapa-bolana lasa izay no nikatonan’ny orinasa AAA Tiko Andranomanelatra, izay hifanilahan’ny tompon’andraiki-panjakana ny fanakatonana azy. Raha ny ara-taratasy dia fampiatoana vonjimaika ny famokarana no tokony ho natao fa tsy fanakatonana sy fanapahana Jiro.

 

 Efa nisy ny hetsika fanairana nataon’ny mpiasa ary niato kely nandritra ny fisaonam-pirenena teo. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo dia niezaka nitety ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ny solontenan’ny mpiasa mba hitady vahaolana amin’ny famerenana indray ny hisokafan’ity orinasa ity. Araka ny nambaran’Atoa Razakarivo Armando, solontenan’ny mpiasan’ny AAA Tiko Antsirabe dia nifanaiky hihaona amin’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpamatsy ronono ireo tompon’andraiki-panjakana. Tao amin’ny Imperial Hotel Antsirabe no tokony ho nihaonana omaly alakamisy 26 oktobra fa tsy nipoitra ny tompon’andraikitry ny Indostria Vakinankaratra sy ny teo anivon’ny Prefektiora. Mpitantsoratra no nalefan’ny lehiben’ny faritra nisolotena azy nihaona tamin’ireo tantsaha sy mpiasan’ny Tiko, izay toa fanamaivanana tanteraka ny fihaonana. Tonga ihany koa ny tale jeneralin’ny AAA Tiko, izay nitondra fanazavana tamin’ireo mpiasa. Raha ny fanamafisana nentin’Atoa Razakarivo Armando dia mila misokatra ny orinasa satria potika tanteraka ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana. Nambarany fa ny fanjakana dia avy amin’ny vahoaka ka tokony hojeren’izy ireo ny vahoaka mpiasa. Filamatry ny faritra rahateo ny hoe : « Tsary misy harena noho ny olona » kanefa dia olon’ny faritra ihany ireo mpiasa ao Andranomanelatra ireo. Raha ny fanazavana nentin’Atoa Rabenatoandro Lanto, tale jeneralin’ny AAA dia nambarany fa efa vitan’izy ireo tanteraka ny zavatra notakian’ny fanjakana tamin’izy ireo ary efa voapetraka teny anivon’ny tompon’andraikitra ka miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa. Nambarany fa raha resaka fahazoan-dalana ara-tontolo iainana dia tokony ho am-polony ireo orinasa ao Antsirabe no hikatona. Ananan’izy ireo porofo ny tsy fananan’ireo orinasa afaka haba ao Antsirabe izany, kanefa dia afaka miasa ihany izy ireo.


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT