Toekarena

Mpiasa tara lava Mitentina 1.770.000 Ar isan’olona isan-taona ny fatiantoka


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Raha vao miresaka fanaovana taratasim-panajakana, eto amintsika, dia mby ao an-tsaina foana ny momba ireo mpiasam-panjakana tara lava.

 

 

Efa zary tandra vadin-koditra amin’ireo sasany mihitsy ny kolontsain’ny tara lava, hany ka sarotra ny manaja lera, ho an’ireo fônksiônera sasany. Misy akony ratsy any amin’ny toekaren’ny firenena anefa ny fahataran’ny mpiasa, ka tsy mahagaga raha tara lava ihany koa isika manoloana an’ireo firenena hafa, voasokajy ho tany mahantra foana. Mety ahitana taratra ny vidin’ny fahatarana mahagidany lava antsika ity fanadihadiana iray natao tany Etazonia ity. Any an-toerana dia miisa 590 000, amin’ny ankapobeny, ny isan’ny mpiasa tara isan’andro. 97 minitra isam-bolana, isaky ny mpiasa, amin’ny ankapobeny, ny ora very isam-bolana, ora izay tokony ho nihodinan’ny orinasa. Vokatr’izay dia 480 $, izany hoe : manodidina ny 1.770.000 Ar isan’olona isan-taona ny fatiantoky ny orinasa iray, vokatry ny fahatarana. Dia hevero izany ny fatiantoky ny firenena malagasy, raha ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana 75 320 isa no tara ora 2 na 3 isan’andro, vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny andro ratsy, na ny antony manokana izay miankina aminy ! Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2007 no nanomboka niditra tamin’ny 9 ora maraina ireo mpiasam-panjakana sasany. Antony iray nanemorana an’io ora fidirana io ny fimenomenoman’ny vahoaka, noho izy ireo tara lava, saingy mbola mitoetra ihany ny fahazaran-dratsin’ny sasany, 2 taona aty aoriana. Na ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara aza moa, dia nanamarika an’izay tsy fanajan’ny mpiasam-panjakana ny ora fiasana izay, tao anatin’ny taratasy misokatra « Ho an’ny Kristianina rehetra sy ireo izay tsara sitra-po » navoakan’izy ireo tamin’ny volana  novambra tamin’ny taon-dasa.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT