Toekarena

Mpiasa miditra anaty sendika Zara raha mahatratra 9%


  • Talata 02 Mey 2017

Zara raha mahatratra ny 9%-n’ny mpiasa Malagasy no mpikambana ao anaty sendika, raha ny antontan’isa navoakan’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT.

 Noho ny antony samihafa toy ny  sakantsakana ataon’ny mpampiasa no mety ho antony. Misy ihany koa ireo hetsika ataon’ny mpitarika sendika isan-karazany, izay matetika hidiran’ny resaka politika ka mety hitarika fahalainana eo amin’ireo mpiasa satria misy ny manao fitaovana ny sendika amin’ny resaka politika na ataon’ny mpitarika fitadiavam-bola fotsiny. Nahitana firaisankina sy firaisaisan-tsaina kosa ny hetsika nataon’ny sendika maro nentina nanamarihana ny fetin’ny asa teny Antsahamanitra omaly alatsinainy 1 mey. Arifomba tanteraka ny nenti-manana tamin’ny fikarakarana ary nilamina ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Nahatratra 50 ireo sendika nifamotoana teny an-toerana, izay nialohavana diabe niala teny Mahamasina sy Ankorondrano, ka teny Antsahamanitra no ambohipihaonan’ny rehetra. Nivoitra nandritra ny hetsika ny valandresaka sy famelabelaran-kevitra momba ny fiforonan’ny sendika nanomboka ny taona 1986. Hita teny an-toerana ny ankamaroan’ireo sendika, izay efa hita tamina fanambarana na hetsika nafampana tato ho ato, toy ny sendikan’ny Miaramila sy Zandary misotro ronono, izay vao tsy ela akory no nanao fanambarana manery ny fanjakana HVM handoa ny karaman’izy ireo. Ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM), izay mitaky ny hamelana ny mpitsara hiasa an-kalalahana ... Ankoatra izay, nirantiranty ny sorabaventy mitaky ny hanatsaharana ny sakantsakana amin’ny fidiran’ny mpiasa ao anaty sendika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT