Toekarena

Mpiasa Malagasy Tsy ho tohatra politika intsony


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Feno 40 taona katroka ny 20 mey ny FISEMARE (Firaisamben’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy Revolisiona).

 

 Nanamarihana izany ny famelabelarana arahina adihevitra miompana amin’ny zon’ny mpiasa notanterahana teny Nanisana ny sabotsy teo. Nirona kokoa tamin’ny fomba fijery politika sosialista ny sendika tamin’ny taona 1977 nitsanganany. Tsangambaton’ny firaisankina tao anatin’ny FSM (Fédération Syndicale Mondiale) rahateo no nampijoro ilay fotodrafitrasa foiben’ny Fisemare teny Ankadifotsy, hoy ny sekretera jeneraliny Rasoamananoro Lalao. Nangina fotoana maharitra taorian’ny firodanan’ny firehana sosialista ihany koa ny sendikan’ny mpiasa Malagasy revolisiona. Nifototra betsaka tamin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa kosa rehefa voaray ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny CSI (Confédération Syndicale Internationale) ny taona 2012. Tsy niray hina ny sendikan’ny mpiasa Malagasy hatrizay ka natao tohatra politika hatrany teo amin’ireo hetsika fitakiana fanovana nifandimby teto amin’ny firenena. Efa tonga saina anefa satria ny mpiasa ihany no very asa sy mahantra fadiranovana rehefa mahazo toerana ny mpitondra, hoy ity sendikalista mpitantana ny Fisemare ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT