Toekarena

Mpiasa 364 398 tsy ho voaloa karama Manaitra ny fanjakana ireo mpandraharaha


  • Alarobia 06 Mey 2020

Tokony hisy fepetra haingana sy matotra ho fiarovana ny asa sy ny karaman’ny mpiasa amin’ireo Orinasa hoy ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara

 

(GEM) sy ireo Mpandraharaha Malagasy mikambana ao amin’ny FIVMPAMA. Iaraha-mahalala hoy izy ireo fa efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fihodin’ny Orinasa noho ny toe-java-misy eto amin’ny firenena sy ireo fepetra noraisina. Efa fantatra fa mitotongana hatrany ny tinady maneran-tany izay mamotika miandalana ny orinasa ary hita taratra izany eto amin’ny firenena. Amin’izany rehetra izany no tokony handraisana fepetra matotra hoy izy ireo mba tsy hiteraka krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena lalina ny krizy ara-pahasalamana misy. Tsy tokony handeha amin’ny fampijanonana mpiasa na ny chomage technique mihitsy aloha ny orinasa satria ny mpiasa sy ny orinasa no mahatsara ny fampidiram-bolan’ny fanjakana. Araka izany dia mba anjaran’ny fanjakana kosa no manohana azy ireo hoy ny fanambarana. Misy ny vahaolana aroson’izy ireo tahaka ny fanampiana hatao amin’ny mpiasan’ny Orinasa voakasika ny krizy amin’ny alalan’ny tambazotran’ny CNaPS izay mandrakotra an’i Madagasikara. Io fanampiana io dia tokony hatokana ho an’ireo mpiasa ambany karama mpikambana ao amin’ny CNaPS izay miisa 364 396 ary vinavinaina 50 miliara Ariary ny vola ilaina isam-bolana. Ny volana aprily lasa teo no efa nisy olana ary mampanahy ny mpiasa sy ny mpampiasa ny fandraisam-bola ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky araka ny fanambarana hatrany.

Tsirinasolo sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT