Toekarena

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Tsy manaiky ny hanalana ireo mpivarotra 32 isa ao Farafangana


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Hitrangana olana ara-tany goavana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Farafangana amin’izao fotoana izao.

 

 Tany mirefy 15 ha sy 71 ca no izay efa nohajariana mpivarotra miisa 32  ao an-toerana ary kasain’izy ireo hovidiana  no lasana lehibe orinasam-panjakana iray  teo aloha mpikarakara sy mpanao trano ka tsy azon’izy ireo hampiasaina intsony. Na  izany aza anefa dia tsy nanaiky hiala mora foana izy ireo saingy anisan’ny vaovao azo farany ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana ny amin’ny tsy maintsy hanapahana ny herinaratra manazava azy ireo. Manoloana io tranga io dia nilaza ampahibemaso  ny tsy fenekeny izany ny fikambanana RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nomarihiny manokana fa raha misy ny tanim-panjakana mipetra-potsiny tahaka izao dia ny vahoaka no lohalaharana hahazo tombontsoa fa tsy ireo efa mpanam-bola indray no hohatevenina. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT