Toekarena

Mpanondram-bokatra Malagasy Sahirana amin’ny tanjaky ny «Ariary»


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Teboka iray nomarihan’ny Tahirimbola iraisampirenena tao anatin’ny tatitra nataony mikasika ny tomban’ezaka fizahana nataony teto Madagasikara nandritra ny roa herinandro ny tanjaky ny vola Malagasy.

6% mahery moa ny fiabon’ny sandan’ny «Ariary» mihoatra amin’ireo vola fifanakalozana eo amin’ny tsena iraisampirenena dolara sy euro, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny FMI. Vaovao tsara hoan’ny toekarem-pirenena io fahasalaman’ny vola Malagasy io amin’ny ankapobeny. Tranga manamaloka ny tontolon’ny fanondranana entana ihany koa anefa. Misy akony ratsy hoan’ireo mpanondram-bokatra mankany ivelany tokoa mantsy ity fisondrotry ny sandan’ny Ariary ity manoloana ny fampiasam-bola eo amin’ny fifanakalozana iraisampirenena. Manafatra akora fototra vahiny avokoa moa ireo orinasa mpisehatra eo amin’ny fanondranam-bokatra Malagasy, izany hoe misanda azy ireo lafo nefa mivarotra vokatra amin’ny vidiny ambany.Tsy afaka mifaninana amin’ireo vokatra hafa noho izany ny vokatra Malagasy. Soso-kevitry ny mpandraharaha eo amin’ny tsena iraisampirenena hatreto ny fametrahana taha tsy miovaova saingy ilaina ny famaritana izao ao anatin’ny politikam-panjakana, hoy ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT