Toekarena

Mpanolontsaina ara-bola Tsy re feo intsony ilay fanafarana an-dry Rothschild


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Tsy re feo mihitsy. Mampametra-panontaniana hoe nankaiza moa izany ilay kabinetrana mpanolontsaina ara-bola avy amin’ny Rothschild & Co efa natsidi-dresaka tan

y amin’ny faha 10 novambra tany fa hanolo-tsaina manokana ny fitondram-panjakana eo amin’ny lafiny fitantanana ara-bola? Nanomboka ny 15 novambra teo hatramin’ny 15 febroary 2022 no voalaza fa hanampian’ity kabinetra ity ny fitondrana Malagasy hahafahany mametraka ny toe-bolany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 1 volana katroka omaly izay no lasa. Mbola tsy misy vokatra azo ampahafantarina mikasika ny asan’ity kabinetra ity ve? Nanatsara zavatra tokoa ve ny nakana azy sa vao maika niteraka atambo teo amin’izay lafiny fitantanam-bola izay? Fanontaniana isan’ny mipetraka koa aza no hoe mbola eto ve izy ireo sa tsia ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT