Toekarena

Mpanjifa Malagasy Mila mahafantatra ny zony sy ny lalàna


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Ny 15 martsa 2020 no andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa saingy ny sabotsy14 martsa 2020 lasa teo no nofidian’ny Minisiteran’ny Indostria,

 

 

 

 ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa hankalazana izany eto Madagasikara. Nanomboka teny amin’ny toeram-pivarotana La City Ivandry ny fanentanana sy fampahafantarana ny zon’ny mpanjifa noho io toerana io maro mpividy. Avy eo dia nidina ifotony teny amin'ny tsenan’ Andravoahangy, Analakely, Anosibe nanohy izany ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana, Rtoa Lantosoa Rakotomalala izay nanambara fa tokony hahafantatra tsara sy hisitraka ny zony ireo mpanjifa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa TSINJO fitsinjovana ny sosialim-bahoaka sy ny mpandraharaha ary ny fanjakana izany ary hetsika voalohany ity natao ity mba ho fiarovana ny mpanjifa. Nampahalala ny zo fototra sy ny lalanan’ny varotra tamin’ny mpanjifa sy ny mpivarotra ihany koa ny Minisitra tamin’izao andro fankalazana izao. Nojerevana mihitsy na ny kapoaka na ireo fandanjana tamin’ireo sendra nolalovany satria matetika dia iharan’ny fanararaotana maro amin’ireny fitaovana ireny ihany koa ny mpanjifa. Tombony koa ny fanabeazana azon’ny mpanjifa amin’ny hetsika tahaka izao mba hanjifa ny entana marina sy ara-pahasalamana izy ireo hoy hatrany ny Minisitra.

 : ireo lalàna 5 tokony ho fantatry ny mpanjifa mahakasika ny fiarovana ny zony

-       Lalàna tamin’ny 1 Aogositra 1905 mahakasika ny hosoka sy taratasy tsy marina momba ny vokatra sy ny asa atolotra

-       Lalàna 97-024 tamin’ny 31 jolay 1997 mikasika ny fomba fanaraham-penitra sy ny famarinan’ny entana sy ny asa atolotra 

-       Lalàna 2017-048 tamin’ny 8 Febroary 2018 mikasika n,y fiarovana ara-tsakafo, sy ny sakafo azo avy amin’ny biby ary ireo didim-panjakana rehetra ho fampiharana azy

-       Lalàna 2015-014 tamin’ny 10 Aogositra 2015mikasika ny antoka sy ny fiarovana ny mpanjifa

-       Lalàna 2018-020 tamin’ny 23 Aogositra 2018 mikasika ny fifaninanana

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT