Hotanterahina ny 15 martsa ho avy izao ny andro manerantany ho an’ny zon’ny mpanjifa.
Ny an’i Madagasikara dia hatomboka ny faha-12 martsa ny fankalazana. Nanambara ireo tompon’andraikitra fa na dia misy aza ireo fikambanana manao izay ho afany amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa dia maro ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanararaotana mahazo ireo mpanjifa. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notarihin’ny Tale jeneralin’ny varotra, Rarivojaona Njara omaly teny amin’ny minisiteran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana (MICA) dia maro ireo fikambanan’ny mpanjifa sy ireo mpanohana ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa tonga teny an-toerana. Mahakasika ny lalàna ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa dia nanambara ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy ho vita amin’ity taona ity izany. Efa misy ihany koa ny ezaka fanaraha-maso hatrany amin’ny fidiran’ny entana eny amin’ny seranana mandrapahatonga eny anivon’ny mpanjifa. Nilaza ihany koa ireo tompon’andraikitra fa efa misy ny laharana maitso afaka antsoina raha vantany vao mahita entana tsy manaraka ny fenitra tahaka ireo entana lany daty sy tsy ara-pahasalamana. Haharitra efatra andro moa ny hetsika mandritra ny fankalazana hiarahan’ny ministera sy ireo fikambanan’ny mpanjifa mikarakara ka ny 2 andro voalohany dia hanatanterahana fanentanana eny anivon’ny sekoly Lycée J.J.R sy Lycée Moderne Ampefiloha. Ho an’ny 15 martsa kosa, ny fankalazana dia hahitana fanentanana maro mikasika ny zon’ny mpanjifa toy ny « roadshow » izay miainga avy eny amin’ny La City Ivandry mihazo ny tsena Andravoahangy, Analakely ary Anosibe. Ireo fanentanana maro samihafa ireo dia hizarana sy hampahafantarana ny mpanjifa tsirairay ireo zony. Amin’io ihany koa ny ahafahana miady amin’ireo fanararaotana maro tahaka ny mizana tsy marina, ny vidin-jafatra miharo fanararaotana sy ny sisa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.