Toekarena

Mpaninjara solika Tokana ny orinasa mpamatsy


  • Alarobia 17 Mey 2017

Tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana mahefa no mampitotongana sy mampivarilavo ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara, hoy ny profesora Ralison Roger.

Miantehitra loatra amin’ny fanampiana avy any ivelany rahateo ireo fitondrana nifandimby teto amintsika nefa tsy nampiova ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Zava-misy hatramin’ny tetezamita lavareny moa ny fanjavonan’ny sokajy anelanelany ahitana ireo mpanjifa betsaka indrindra. Efa fantatry ny mpitondra mahefa ihany koa fa fototry ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny fidangan’ny vidim-piainana manerantany ny resaka famatsian-tsolika. Mbola manafatra io vokatra fototra amin’ny fandraharahana io rahateo hatreto ny firenentsika. Tsy afaka ny miditra amin’ny famerana ny vidin-tsolika nohafarana ny fanjakana fa zony kosa ny miaro ny tombontsoan’ny mpiray tanindrazana aminy. Azony atao ny mikaroka mpamatsy solika hafa hisian’ny tena fifaninanana malalaka mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hoy ity mpampianatra toekarena eny amin’ny ambaratonga ambony ity. Tokana ihany mantsy ny mpamatsy vokatra ireo kaompania mpaninjara solika efatra goavana eto Madagasikara, araka ny fantatra.

Ramano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT