Toekarena

Mpandraharaha vahiny eto Madagasikara Manjakazaka mampitaraina ny Malagasy


  • Talata 03 Martsa 2020

Mitombo be ankehitriny ny tsena malalaka sy mahakasika ny asa sy ny tetikasa fanamboarana trano eto Madagasikara.

Araka izany dia maro ireo mpandraharaha vahiny no liana sy voasarika te hampiasa vola eto amin’ny firenena Malagasy. Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano omaly ny simenitra vaovao manaraka ny kalitao izay ahitana karazana sy tanjaka tahaka ny 22.5 sy 32.5 ary 42.5. Amin’izao fotoana izao dia io vokatra vaovao io no tena ampiasan’ny Malagasy andavanandro araka ny fanampim-panazavana. Ny simenitra marika FOSA dia hitondra fanaingana ara-toekarena araka ny tatitry ny tompon’andraikitra sady voasedra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tsiahivina ihany koa fa amin’izao fotoana izao dia tsy maharaka ny filàna ny tolotry ny famokarana simenitra eto Madagasikara. Tsy ampy ary tsy maharaka ny tinady misy ka tsara ny mbola hanaovana ezaka mafy hatrany handrakofana ny tsena anatiny ho farafaharatsiny. Na izany aza dia tsara hatrany ny vokatra ary tsy mena-mitaha amin’ireo simenitra hafarana avy any ivelany izany. Ankoatra izay dia nilaza sy nanambara ny tompon’andraikitra fa mbola maro ny akora fototra hafarana any ivelany amin’ny fanamboarana ny simenitra ka an-dalam-pitadiavana vahaolana ny mahakasika izany. Ny orinasa Raysut Cement moa ankehitriny dia miantso ny fitondram-panjakana mahakasika ny tena zon’ny mpamorona sy ny mpanjifa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT