Toekarena

Mpandraharaha mitahiry voamboana na “Palissandre” Asain’ny minisitera manao tombana


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Voavoly ny velaran-tany 40.000 ha. Tsy nisy na bolabola 1 aza naondrana. Toy izany koa ny tsy fisiana trafikana hazo sarobidy. 245 isa ireo sokatra hiverina etsy Ivato anio (TTF: omaly) rehefa tra-tehaka tao Kaomoro.

 

 

Ireo no namehazan’ny minisitry ny tontolo iainana, Alexandre Georget Rabearisoa, ny asa vitan’ny minisiterany tao anatin’izay 6 volana izay tetsy Nanisana omaly. Hojerena amin’izay manomboka izao ny fahafahan’ireo mpanao asa tanana Malagasy manatanteraka ny asany an-kalalahana ary antony nanirahana tompon’andraikitra any Geneve hiverina eto ny 29 aogositra io hifampidinika mikasika ilay sazy azontsika tamin’ny CITES farany teo, hoy izy. Tsy azo ekena intsony ny fanondranana hazo sarobidy any ivelany saingy tsy hasiana olana kosa ny fanapahana kininina sy “Pin” rehefa tsy anaty ala arovana. Ampirisihina aza, hoy izy, ny tompon’ireny toerana manokana ireny mba hamboly hazo hatrany haharetan’ilay fihariana na asa tanana io na saribao. Miantso ireo mpandraharaha izay mitahiry hazo voamboana na “Palissandre” kosa, hoy izy, mba hamoaka izany hanaovana tombana na “inventaire” satria manana maromaro isika. Ao Menabe, ohatra, misy 82m3, Mahajanga : 49 kaontenera amina 17m3.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT