Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Vonona ny tanora saingy…


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Tsy ampy mihitsy ny fampiofanana mpandraharaha raha ny eto Antananarivo, mainka moa ny any amin’ny faritany.

 

 

Fantatra hatrany fa efa manomboka maro an'isa ny tanora mpandraharaha eto Madagasikara kanefa tsy misy ny fandraisana an-tanana akaiky avy amin’ny fanjakana. Vonona anefa ny ankamaroan’ny tanora handray andraikitra hampandroso ny firenena saingy olana ny tsy fahampian’ny tolo-tanana amin’ny sehatra maro homena azy ireo. Ankoatra ny tsy fahampian’ny fampiofanana dia mitaraina ho tsy mba mahazo sehatra ireo tanora mpandraharaha indrindra ireo madinika. Izany rehetra izany dia ahatsapan'izy ireo fa sarotra ho an'ny tanora malagasy ny miditra amin'ny sehatra fandraharahana. Ny zavatra hita ihany koa aloha dia toa anjakazakan’ireo mpandraharaha vahiny tahaka ny firenena ary mihafy eny anjorom-bala ireo mpandraharaha madinika Malagasy. Na dia misy aza ny fahavononana sy ny fijoroana dia matetika tratran’ny kapa ranjo sy ny tsindry hazo lena izy ireo izay tsy mahatafarina azy ireo mihitsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT