Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Voafetra ny vola azo ampiasaina


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Misy fiantraikany maro amin’ny lafiny toekarena ny fampiasam-bolan’ireo Mpandraharaha Malagasy eto Madagasikara. Raha tsy hiteny fotsiny ny famoronan’asa ateraky ny fampiasam-bola izay atao satria tsy maintsy mila olona hiara-miasa hanatanteraka ny tetikasa. Eo ihany koa ny fampandrosoana eny ifotony (développement local) ateraky ny fandraharahana atao.

 

 Maro anefa ny olana sedrain’izy ireo, ny findramam-bola eny amin’ireo Banky maro samihafa. Anisan’izany ny fahakelezan’ny vola azo alaina noho ny fidangan’ny zana-bola alain’ireny banky ireny. Arakaraka ny halavan’ny fotoana hamerenana mantsy no itomboan’ny zana-bola. Mianina amin’ny  vola kely ny mpandraharaha satria aleony mamerim-bola haingana mba ialana amin’ilay zana-bola avo be. Sakana ho azy ireo ihany koa ny fijanonana amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ka mahatonga ny tsy fahazoana famatsiana betsaka amin’ny banky. Amin’izay resaka zana-bola izay ihany, raha 12% ny taha apetraky ny Banky foibe dia tsy maintsy maka tombony any amin’ny 4 na 5% any ho any ny Banky mpampindram-bola ka tafakatra hatrany amin’ny 16 hatramin’ny 18% araka izany ny zana-bola alainy amin’ny mpandraharaha Malagasy. Mila vola betsaka anefa izy ireo indrindra ny amin’ny tetikasa lehibe mba hanafarana entana sy ampihodinana haingana ny vola. Manaraka izany, olana ihany koa ny fifaninanana tsy ara-drariny ny fahatongavan’ny entana vahiny mora be noho ny eto an-toerana dia sakana tsy ahafahany mifaninana. Mora kokoa mantsy ny zana-bola any amin’ireny mpandraharaha vahiny ireny ka antony iray  mahatonga azy hivarotra mora ny entany rehefa tonga eto amintsika. Tokony hojerena haingana ny olan’ireo Mpandraharaha Malagasy ireo fa tsy iandrasana vina ela intsony satria efa halohalika ny ranom-bary ary inoana fa hisy fehin-kevitra mafonja hivoaka aorian’ny fivoriana hotanterahan’izy ireo izay tsy ho ela.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT