Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Velon-taraina amin’ny fidiran’ny entana avy any ivelany


  • Zoma 22 Jona 2018

Omaly no nanomboka teny amin’ny Forello Expo Tanjombato ny Salon de l’Industrie de Madagascar karakarain’ny sendikan’ny Indositria eto Madagasikara.

Tahaka ny mahazatra moa dia manome lanja ny vita Malagasy ity hetsika ity ary miezaka mitady lalam-barotra ho amin’ireo vokatra vita eto Madagasikara. Tanjona ny hifampiraharahana amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany izay vonona hifanakalo amin’ny traikefa sy ny fahaiza-manao. Mampikaikaika ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity anefa ny fidiran’ireo entana avy any ivelany izay mitobaka hatrany ary mamotika ny tsenan’ireo mpandraharaha. Na misy ary ny olana dia nanantitrantitra ireo mpanao fampiratiana fa tokony hatao mangarahara ny fidiran’ireo entana avy any ivelany fa mampijaly sy orinasa Malagasy. Tsiahivina fa miverina foana ity hetsika ity isan-taona ary maro hatrany ireo orinasa vaovao no miditra an-tsehatra amin’ny hetsika. Tsy vitsy ihany koa anefa ny Indostria Malagasy no niala tanatin’ny hetsika. Mahakivy ny mpisehatra ao anatin’ny orinasa Malagasy hatrany ny fahalalahan’ny vokatra miditra eto sady ambany vidy tahaka ny avy any Sina sy Inde. Tokony hojerena akaiky izany olana izany fa mamotika ny orinasa Malagasy ary manakana hatrany ny fampandrosoana.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT