Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Tofoka amin’ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Leo tanteraka amin’ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fandraisan’andraikitry ny fitondrana ny mpandraharaha. Maro ny efa zavatra nangatahan’izy ireo nandritra ny fotoana lava saingy tahaka ny miteny amin’ny rivotra ihany ary tsy misy valiny mahafa-po.

Tsy misy politika mazava avy amin’ny fanjakana ny ady amin’ny sehatra tsy ara-dalàna izay mamono ny mpandraharaha. Tsy mba misy fifanomezan-tanana avy amin’ny mpitondra mihitsy fa dia miady irery izy ireo. Mainka aza moa fanapotehana no natao satria dia miakatra hatrany ny hetra alaina aminy. Manampy trotraka ny fiakaran’ny solika sy ny faktioran’ny JIRAMA.  Ankoatra izay, mitombo  isan’andro ny olana ateraky ny fifaninanana tsy ara-drariny sy ny tsy fandriampahalemana. Sarotra ny hino fa mbola hanohana ny mpitondra ankehitriny ny mpandraharaha noho izao olana maro mianjady amin’izy ireo izao. Etsy an-kilan’izay, tsy voafehy ny asan-jolahy sy ny herisetra eto amin’ny firenena ary anisan’ny mahatsiaro tena voa mafy ireo mpandraharaha satria misy izy ireo no tratran’ny fakana an-keriny, misy ireo voadaroka tsotra izao, eo koa ny voaroba sy voatafika. Mivondrona ireo mpandraharaha, ny firaisamonim-pirenena ary ny sendikan’ny mpiasa maro samihafa ka manainga ny rehetra hampaneno kiririoka na kipantsona eny hatramin’ny lakolosy aza ny alakamisy 15 martsa izao manomboka amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 12 ora sy 5 minitra antoandro. Fantatry ny HVM ihany koa anefa ny tsy fahombiazany manoloana ireto mpandraharaha ireto, hany ka miantehitra mafy amin’ny karana ny fitondrana. Ity farany koa anefa efa leo amin’ny tsy fandraisan’andraikitra ny amin’ny fakàna an-keriny izay nitranga nisesisesy teto Madagasikara. Miahiahy mihitsy aza moa izy ireo fa sao dia fomba iray ataon’ny olona ambony sasany enti-mitady vola ity fakana an-keriny tsy misy vahaolana mazava ity ?

 

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT