Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Sahirana manoloana ny vahiny


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Migalabona tanteraka ny vahiny eto Madagasikara indrindra ireo mpandraharaha. Ny vahiny dia manana anjara goavana na eo amin`ny tontolon’ny fitantanana sy fandraharana ny fiainana andavanandro eto Madagasikara ary tena ao anatin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy mihitsy. Hita amin`ny sehatra rehetra toy ny angovo, serasera, fitaterana, solika …

 

 

 Ny mpandraharaha Malagasy anefa toa sahirana satria misy fetrany avokoa ny zavatra rehetra kasaina hatao. Misy fiantraikany maro amin’ny lafiny toekarena ny fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha Malagasy eto Madagasikara toy ny famoronan’asa ateraky ny fampiasam-bola izay atao. Misedra olana ny mpandraharaha eto amintsika satria lafobe ny zanabola eny amin’ny banky, manginy fotsiny ny halafosan’ny saran’ny jiro sy rano, fidinan’ny sandam-bola Ariary isan’andro manoloana ireo vola vahiny. Manoloana izany anefa dia tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana fa avela manjaka ny vahiny ary miha potika isan’andro ny fandraharahana Malagasy. Azo antoka ve fa tsy manondrana andramena ireo teratany vahiny miasa sy monina eto amintsika ? Tsy manao ampihimamba ny harem-pirenena ? Manomboka miseho masoandro ny tetika taorian`ireny fakana an-keriny (kidnapping) nisesy teto amintsika ireny.  Sanatria ve ireny vola azo amin`ny fanaovana takalon`aina ireny no sarany ireo vahiny ka mahazo manao izay tiany ? Raha fehezina, ny Malagasy ihany no mifamono sy mifampihinana am-pitoerana satria ny zava-misy dia fisamborana sy fanagadrana mpandraharaha Malagasy no miseho. Ny vahiny anefa toa omena vahana tanteraka ka midika ho famarotana ambongadiny ny tanindrazana amin’izy ireo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT