Toekarena

Mpandraharaha Malagasy Olana hatrany ny vola ampiasaina


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Tokony hojerena haingana ny olan’ny mpandraharaha Malagasy ireo satria efa halohalika ny ranom-bary ary inoana fa hisy fanapahan-kevitra mafonja mihitsy hivoaka avy amin’ny fitondram-panjakana vaovao.

 


Amin’izao fotoana izao dia mihamora hatrany ny zana-bola any amin’ny bankin’ny mpandraharaha vahiny any ivelany, antony iray  mahatonga azy hanondrana  sy hivarotra mora ny entany rehefa tonga eto amintsika. Mifanohitra amin’izany, tsy afa-mihetsika ny mpandraharaha Malagasy satria ambony loatra ny zana-bolan’ny banky eto an-toerana. Mila vola betsaka anefa izy ireo indrindra ny amin’ny tetikasa lehibe mba hanafarana entana sy ampihodinana haingana ny vola. Manaraka izany dia mbola olana ihany koa ny fifaninanana tsy ara-drariny noho ny fahatongavan’ny entana vahiny tsy misy sivana mora be eto Madagasikara. Noho izany dia sahirana sy velon-taraina mihitsy ireo mpandraharaha Malagasy ary tena  tsy afaka mifaninana. Etsy andaniny, fantatra fa 9,5% ny taha torolalana apetraky ny Banky foibe ary tsy maintsy maka tombony any amin’ny 4 na 5% any ho any ny Banky mpampindram-bola ka izay no mahatafakatra hatrany amin’ny 16 hatramin’ny 18% ny zana-bola alaina amin’ny mpanjifa sy ny mpandraharaha Malagasy. Araka izany dia kely ny vola azo alaina noho ny fidangan’ny zana-bola alain’ny banky ary tsy ahafahana manatanteraka tetikasa lavitr’ezaka. Voaresaka tanteraka io olana io tamin’ny fihaonan’ny filoham-pirenena vaovao tamin’ireo mpandraharaha tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ary hita soritra ao anaty vina IEM ka miandry ny vahaolana ny rehetra hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT