Mpandraharaha malagasy

Mahatsiaro ho voaroban’ny fadintseranana


  • Talata 18 Jona 2024

Manamafy hatrany ny mpandraharaha malagasy fa ny lalàna mametra ny vola azo entina

mivoaka an'i Madagasikara ho 10.000€ tamin’ny taona 2021 dia mamotika azy ireo. Tsy mbola nisy mpamotsy vola tratran'io lalàna io aloha fa ireo mpandraharaha malagasy madinika mpanafatra entana no lasibatra sy mitondra faisana, hoy ny fikambanan’ireo mpandraharaha malagasy mpanafatra entana any ivelan’i Madagasikara. Tokony hojeren'ny fitondram-panjakana akaiky ny momba io lalàna io fa miteraka olana betsaka ary sakana ho an'ny fampandehanana ny toekarem-pirenena. Mpandraharaha malagasy mpanafatra entana any ivelany iray no tratra nitondra vola nihoatra an’io fetra io teny Ivato farany teo dia nogiazan’ny fadin-tseranana avokoa ny volany ary niala maina izy, hoy ny mpandraharaha, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara. Maneran-tany, hoy izy, tsy misy izany lalàna mametra vola entina izany fa fanaraha-maso ho fiarovana na «contrôle de sécurité» no atao. Ny hiditra ao amin’ilay firenena no mila manao fanambarana raha mihoatran’ny 10.000 Euro ny any aminy. Ny ao Sina izao akàna 5% izany raha nanadino ny nampahafantatra azy. Natao ho ana mpizahantany fa tsy mpampiasa vola izany 10.000 Euro izany. Ny anay izao tamin’ny fiandohan’ny jolay 2023 teo, ny ofana kaontenera fotsiny no efa 8000 Euro. Izao vao nidina ho 6500 Euro. Inona izany no tombom-barotra ho azo raha toa ka 10.000 Euro fotsiny no avela hiantsenana? Ny fakan’ny fadin-tseranana manontolo ny volan’ilay mpandraharaha rehetra tratra mitondra mihoatra an’io fetra io ve tsy efa fandrobana? Zaraina amin’iza izany ny volan’ilay olona tratra avy eo, hoy hatrany ny fitarainan’i Dadafara sy ireto mpandraharaha niray feo taminy ireto? Mahatsiaro ho voaroban’ny fadintseranana izahay manoloana ilay zava-misy, hoy izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT