Maro ny orinasa amina sehatra isan-karazany tafatsangan’ny fitondram-panjakana vetivety teo tao anatin’izao hahamehana ara-pahasalamana izao izay rehefa dinihina dia lasa mifaninana amin’ireo orinasa tsy miankina isan-karazany kanefa dia fanamby napetraky ny filoham-pirenena Malagasy,
Andry Rajoelina, ny hoe hanohana ny mpandraharaha Malagasy. Fanontaniana efa nipetraka tamin’ny fivoahan’ny tambavy CVO moa ny hoe tena ny IMRA madiodio tokoa ve no mamokatra izany? Mbola manalasala ny valiny hatreto satria dia ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miasa tena akaiky azy hatrany no tena hita ho manao ny dingana rehetra amin’ny fanapariahana ny vokatra. Natsangan’ny fanjakana Malagasy koa ankehitriny ny orinasa Malagasy hamokatra fanafody Pharmalagasy ary hisantatra ny vokany ny CVO+ izay ho endrika Gellule. Izany hoe ho takona izany ilay tambavy raha toa ka malemy ny stratejian-tseraserany. Natsangana ny orinasa mpamokatra ilay fiara Gasycar, izay nolazaina koa, fa vita Malagasy dia hanao ahoana izany ny toeran’ny orinasa Kerenjy izay mamokatra fiara vita Malagasy ihany koa? Mba misy fanohanana azy ve, indrindra, anatin’izao krizy izao? Efa misy mpandraharaha mimenomenona koa ankehitriny manoloana ny fahenoana fa mbola misy fikasan’izao fitondrana izao ihany koa hanangana orinasa mpamokatra fahitalavitra sy ireny kojakoja fampiasa an-dakozia mandeha herinaratra ireny. Mampahatsiahy hatrany amin’ny hoe tsy nisy afa-tsy ny fikambanana Fitia, izay an’ny vadin’ny filoham-pirenena, teo aloha teo no namatsy “Gel désinfectant” ireo taksibe sy mamatsy ny ankamaroan’ireo fanampiana ho an’ny olom-pirenena. Tena hanome sehatra ny mpandraharaha Malagasy tokoa ve sa hamono ny tsenan’izy ireo ny fanapahan-kevitr’ireo mpitondra?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.