Toekarena

Mpandraharaha lavanila Tsy ampy matihanina


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Tokony hampiroborobo ny toekarena malagasy ny fandraharahana lavanila eto amintsika, hoy ny tale jeneralin’ny hetra, Louri Garisse Razafindrakoto, saingy olana ny tsy fahampian’ny matihanina eo amin’io seha-pihariana io.

Antony nanatontosana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan’ity sampana ity sy ny orinasa tsy miankina 2, Sahanala sy NR Consult tetsy amin’ny Colbert  Antaninarenina io omaly mba hampidirana hatrany ireo tantsaha amin’ny sehatra matihanina fa indrindra ireo mpandraharaha lavanila. Ny Sahanala vanille sy ny DGI no tena hifandray amin’ny tetikasa raha ny fanazavana satria tantsaha mpikambana ao anatin’izany federasionina izany miisa 1700 avy amina fikambanana 16 no omena fiofanana sy ny fomba fandoavan-ketra ary ny tombony azo amin’izany. Tanjona ihany koa, raha ny nambara hatrany, ny hampazava ny tamberina azon’ireo kaominina amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra. Efa misy fikambanana miisa 68 ahitana mpikambana 3000 manerana ireo faritra 5 dia Menabe, Analamanga, Diana, Sava, Alaotra mangoro moa ity federasionina Sahanala ity.

J. Mirija/Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT