Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fampiofanana momba ny atao hoe Kristianina mandraharaha.
Tanjona fototra tao anatin’izy ity, raha ny fanazavana, ny hahatonga ny tanora Malagasy hanana ny toerany amin’ny fandraharahana. Mianara raha mbola azo atao fa tena ilaina io, hoy ny hafatra. Aza mandeha amin’ny herin’ny tena! Ankino amin’i Jehovah ny atao raha tsy te hidofotra satria na midofotra aza izany dia izy no mamerina azy amin’ny laoniny. Tsy natao ho mpangataka lava fa mpanome ny Kristianina. 40 taona ve ianao dia mbola hangataka fahana amin’ny ray aman-dreninao? Miatomboa amin’ny kely dia matokia an’Andriamanitra. Tsy misy sosialisma miaraka amin’Andriamanitra. Rehefa tsy miasa ianao dia tokony tsy hihinana. Mpivarotra, mpanao dokam-barotra, mpanaparitaka sy mpitatitra entana no tena betsaka eto fa tsy mpamokatra. Lasa manafatra entana avy any ivelany lava isika, noho izany, izany hoe, mamorona harena ho an’ny firenena any ivelany fa tsy mamorona harena ho an’ny firenentsika. Tadidio fa isaky ny mitombo ny fanafarana entana dia milatsaka ny lanjan’ny ariary ary izany no mampahantra ny firenena. Tsy misy afa-tsy ny famokarana sy fanodinam-bokatra anatiny no mampandroso firenena. Ilaina ny vidy varotra fa mila ampifandanjana amin’ny famokarana sy fitaterana izany. Mety ho gaga isika hoe be dia be ny vola miodina eto amin’ny firenena nefa vitsy ny famokarana ary miha mahantra ny mponina satria tsy ny fitombon’ny vola eo an-tanana no mampanan-karena fa ny fahefa-mividy miakatra. Mety hitombo ny vola eny am-pelantanantsika izao kanefa tsy miova na mihena aza ny zavatra azon’iny noho ilay filatsahan’ny lanjan’ny ariary. Mila manova fomba fandraharahana izay mifototra amin’ny famoronana zava-baovao sy manafoana tsikelikely ny fanafarana entana avy any ivelany ny mpandraharaha Malagasy mba hampandroso ity firenena ity. Rehefa manankarena ao anatin’izany ny mponina, izany hoe afaka manana ny ilainy rehetra ivelomany, dia mandroso ny firenena. Rehefa mandroso ny firenena dia mora ny mampandroso ny isam-batan’olona, hoy hatrany ny fanazavana tetsy amin’ny Le Pavé ny sabotsy teo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.