Mbola mitana ny sain’ny maro ny mikasika ireo teratany “Karana” vahiny manao fandraharahana ara-bary eto Toamasina,
izay saika hanaparitaka vary efa simba sy efa lo teo amin’ny tsena. Misy ny manahy amin’ny fampiasam-bolan’izy ireo izay tena mitobaka be loatra, ary saika ny vary “Moto”, “Bora”, ary “Rizmate” avy any Pakistan ataon’izy ireo.
Mpandraharaha tsy ara-dalàna
Raha ny fanadiadihana lalina natao mikasika ireo teratany Pakistaney voarohirohy tamin’ilay resa-bary farany teo dia tsy manana taratasy ara-dalana ipetrahana sy andraharahana eto amintsika izy telo lahy ireto. Ny angom-baovao natao no nahafantarana fa ny ankamaroan’ireo teratany “Karana” vahiny mpandraharaha mpanafatra vary eto amintsika ireo dia tsy ara-dalàna avokoa, nefa afaka manao izany an-kalalahana, afaka mivezivezy etsy sy eroa noho ny kolikoly sy ny tandrevaky ny fanjakana izay tokony hanara-maso akaiky. Ahiana ny fisian’ny fanadiovam-bola amin’izao olana izao.
Ohatrinona Marina ?
Nampahalalana ny vahoaka fa tsy tokony hihoatra ny 72.000 ariary ireo vary nohafarana avy any Pakistan, sy 73.000 ariary ireo vary avy any Thailande sy Birmanie ary Inde, noho ny fifanarahana teo amin’ireo mpandraharaha ara-bary sy ny fanjakana izay ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana mihitsy no tonga tany Toamasina nanao sonia izany. Roa herinandro aty aoriana anefa dia mbola tsy ahitana fiovana ny vidim-bary eny an-tsena, mbola manodidina ny 1.800 ariary hatramin’ny 1.850 ariary ny kilao na tsy tokony hihoatra ny 1.600 ariary aza izany. Raha ny angom-baovao marim-pototra natao dia ny bizina ataon’ireo mpiasan’ny talem-paritry ny varotra atsinanana, sy ny fianakavian’ireo tompon’andraikitra ambony no olana; izy ireo indray no lasa mpivaro-bary ka manodidina ny 75.000 hatramin’ny 76.000 ariary ny iray gony.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.