Toekarena

Mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny mekanika Mahatsiaro voatsindrin’ny avy any ivelany


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Anisan’ny orinasa goavana misehatra eo anivon’ny famokarana vokatra mekanika sy fitaterana ny orinasa AREMEC, izay feno 25 taona amin’ity taona ity.

 

 Notolorana mariboninahi-pirenena “Grand officier de l’ordre  national Malagasy” tetsy amina tooeram-pilanonana iray etsy Akorondrano omaly ny filoha tale jeneraliny, Aimé Solofomandimbisoa. Notolorana ny “Chevalier de l’ordre national” kosa ny vadiny, Yvonnette Razafindrahety. Ankoatr’izay moa dia mpiara-miasa miisa 10 amin’ireo 200 no notolorana medaly rehefa nahavita be teo amin’ny orinasa nandritry ny 15 taona. Olana goavana sedrain’ny orinasa tahaka itony eto amintsika ankehitriny, hoy ity filoha tale jeneraly ity, dia mora lavitra noho ny entana avy eto an-toerana ny entana avy any ivelany ka manjary mamono ny tsena anatiny. Angatahanay amin’ny fitondram-panjakana, hoy ny fanazavany, ny hitadiavana fomba ahafahana mampifandanja ny vidin’entana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT