Toekarena

Mpandraharaha avy any la Réunion sy eto Madagasikara Hifampizara traikefa


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina omaly ny fisian’ny fihaonambe hokarakarain’ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM) sy ny Club Export Réunion hatao amin’ny volana novambra ho avy izao any La Réunion.

Tsiahivina fa mankalaza ny faha-20 taona niorenany amin’ity taona ity ny Club Export Réunion ka anisan’ny hanaovana ny  hetsika. Fihaonana manerantany ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy no hodinihina any. Hisy, araka izany, ny lahadinika maromaro tahaka ny resaka fahasalamana, angovo fa ny hibahan-toerana indrindra dia sehatra toekarena. Hojerena akaiky  ny fomba fiaraha-miasan’i Madagasikara sy La Réunion. Iaraha-mahalala fa manana traikefa sy fahaiza-manao ary indrindra teknolojia ry zareo vahiny saingy aty Madagasikara ny harena ara-boajanahary sy ny olona (capital humain). Tanjona ny fanitarana ny fifandraisan’ny mpandraharaha Malagasy amin’ireo mpandraharaha any, indrindra amin’ny lafiny fanondranana entana mba ho tombontsoa ho an’ny mpandraharaha Malagasy sy ny orinasany. Ao ihany koa ny fampahafantarana ny orinasa Malagasy sy ny fahaiza-manaony satria maro ny orinasa malagasy efa sangany kanefa tsy dia fantatra loatra ny fisiany any ivelany. Tombony amin’io fihaonana io ny fananana anjara lehibe ho an’ny mpandraharaha malagasy ny amin’ny lafiny sakafo sy ny jono izay anisan’ny aondrana betsaka amin’ireo nosy manodidina.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT