Toekarena

Mpandraharaha amin’ny sehatra lamba Tsy ampy tohana ara-bola ny ankamaroany


  • Zoma 22 Novambra 2019

Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna ny maro an’isa amin’ireo mpandraharaha mamokatra lamba (Textile, Habillement et Accessoires na THA) eto Madagasikara.

 

 

 Tsy ampy ny fitaovana sy ny vola ahodina, indrindra ireo ivelan’ny orinasa afaka haba. Nisy ny atrikasa nanehoana ireo valin’ny fanadihadiana natao amina tetikasa maro omaly tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina. Ny fandaharan’asa PAPI (Programme d’Appui à la Promotion des Investissements) izay vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) kosa no hanomezana tohana ireo sehatra THA. Anisan’izany ny fampitaovana, ny fanohanana amin’ny lafiny serasera ary ny fampiofanana ho amin’ny fahaiza-manao sy fanampiana ara-bola. Amin’ny alalan’io tetikasa PAPI io no hametrahana ilay famatsiam-bola FAFP (Fonds d’Appui à Frais Partagé) hampiroboroboana ihany koa ny sehatra tsy miankina. 160 tapitrisa ariary farafahabetsany ny vola azon’ny mpandraharaha ary misy ny sivana izay hitarafana ireo tetikasa mandresy lahatra sy azo vatsiana vola. Hatreto dia miisa 215 ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany efa nametraka ireo antontan-taratasiny. 2 tapitrisa dolara no natokan’ny BAD amin’io famatsiam-bola FAFP io ary miara-misalahy amin’ny fandrindrana izany ny  filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) sy ny minisiteran’ny indostria.

Tsirinasolo

 

  

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT