Toekarena

Mpanara-maso ny fandoavan-ketra Sandoka izay mitaky vola


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Manomboka anio dia hisy ny iraka mpanara-maso ny fandoavan-ketra (Agent de poursuite ; Regisseur Auxilliaire )

 avy amin'ny sampandraharaha misahana ny vola eo anivon'ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hidina isan-tokantrano mba hijery ny taratasy fanamarinana (Quittance) nandoavana ny hetran-trano sy hanentana ho an'ireo izay tsy mbola nahaloa izany hetra izany. Ireo iraka ireo ihany koa dia hampafantatra ny hetran-trano 2017. Mitondra taratasy fahazoan-dalana mazava tsara izy  ireo miaraka amin'ny karatra maha tompon’andraikitra avy amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsara ny manamarika fa tsy mandray vola izy ireo mandritra ny iraka izay hampanaovina azy fa hanentana fotsiny ihany ho an'ny olona eny anivon'ny Boriborintany, raha ny fanazavana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT