Toekarena

Mpamboly lavanila ao SAVA Sahirana amin’ny fiahiam-pahasalamana


  • Talata 17 Aprily 2018

Mbola tsy manana fahafahana handray an-tanana araka ny tokony ho izy ny fiantohana ny fahasalamany hatreto ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’iny faritr’i SAVA iny, raha ny fanazavan-drizareo avy eo anivon’ny Symrise, izay isan’ny rafitra iray miahy ny fahasalaman’izy ireo any an-toerana.

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny CCI Antaninarenina moa ny fankalazana ny faha 5 taonan’ny rafitra manokana ara-pahasalamana (mutuel de santé) atao hoe « Mahavelona » izay natsangan’izy ireo sy ny rafitra iraisam-pirenena Positive Planet international. Hisy ny hetsika marolafy ho atao ao Andapa ny 19 sy 20 aprily izao. Hatreto dia tantsaha miisa 16 500 eo no misitraka ity tetikasa ity, raha ny fanazavana hatrany. Ny tazo, ny fivalanana, ny aretina avy amin’ny rano maloto moa no isan’ny matetika mpahazo ireo tantsaha ary antony hiarahan’ity rafitra ity miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ireo tobim-pahasalamana rehetra ao Andapa.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT