Toekarena

Mpamatsy vola Ho tezitra amintsika, hoy i Tabera Randriamanantsoa


  • Alarobia 19 Jolay 2017

Matoa mametra-pialana ny olona iray dia misy antony, hoy ny filohan’ny CRN, Tabera Randriamanantsoa, raha nilaza ny heviny omaly mikasika ny fahitany ny fametraham-pialan’ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Gervais Rakotoarimanana.

 Mety mahatsapa izy fa tsy mitondra soa ho an’ny firenena intsony ny fijanonany eo amin’ilay toerana. Raha ny nazavain’ny minisitra tamin’ny alatsinainy dia tsy mitovy ny politikany izay nametraka fitokisana tamin’ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny politikan’ny mpitondra izay te hiara-kiasa amin’ny firenen-kafa toa an’i Sina. Tsy maintsy ho tezitra izao ny mpamatsy vola mahazatra satria ny minisitra Rakotoarimanana efa nanasonia ilay 10 miliara dolara voaresaka tany Parisy. Tsy hisy vola eto isika, noho izany, ary ho sahirana. Izahay aloha, hoy ny tenany, dia miantso ny mpitondra hanatontosa dinika faran’izay haingana (Dialogue d’urgence) fa hanahirana ity raharaha ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT