Toekarena

Mitombo ny fivarotana goavana eto Antananarivo Voatokana ny “La Chapelle” eny Analakely


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Notokanan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny sabotsy lasa teo ny Tranombarotra lehibe « La Chapelle » eny Analakely.

 Nambara nandritra izany fa tsena goavana manome tombondahiny ny mponina eto Antananarivo mandritra ny vanim-potoanan’ny fety izy io satria mora sy sahaza ny rehetra tolotra. Ankoatra izay, manome asa marobe ny fitsanganan’ity tsena ity. Nifanarahana tamin’ireo mpandraharaha tompony kosa ny tsy hisian’ny toeram-pilalaovana na « salle de jeux » sy toeram-pilokana, izay mety hitarika ny olona mankany amin’ny zavatra tsy mety. Marihina fa i Madagasikara no firenena nametrahana an’io “La Chapelle” io voalohany aty Afrika, akoatra ireo roa lehibe any Chine.  Nandritra ny fitokanana no nilazan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa misy ny fandaminana ho an’ireo vahoaka amin’izao fotoanan’ny fety izao, indrindra ny mpivarotra. Nomena malalaka ireo mpivarotra ny toerana eny Analakely ambadiky ny kaominina amin’izao andro fety izao. Tsy adinony ny naneho ny heviny momba ny tsaho hiniana voizina momba ny tsenan’i Petite Vitesse. Toe-tsaina tsy te hivoatra ilay fanelezana tsaho sy filazana fa hamidy ny tsena izay hasiam-panamboarana sy fanavaozana mba hirosoana amin’ny tsaratsara kokoa, raha ny fanehoan-keviny. Tsy mikely soroka amin’ny fanajariana ny tanàna rahateo ny kaominina na eo aza ny fingampingana isan-karazany, ka dia volena avokoa izao tsaho sy fanosoram-potaka rehetra izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT