Toekarena

Ministeran’ny tontolo iainana Mpiasa ECD miisa 223 nandray ny karamany telo volana


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Tontosa omaly 22 aprily tetsy Antsahavola ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ECD miisa 223 eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Karama telo volana (Janoary, Febroary, Martsa) no noraisin’izy ireo.

 

 

 

 Nozaraina tampim-bava ihany koa ireo mpiasa. Tato anatin’ny taona maro izao dia sambany no nivoaka aloha tahaka izao ny karaman’ny ECD eo anivon’ity Ministera ity. Tonga nihaona tamin'ireo mpiara-miasa aminy handray ny karamany ireo ny Minisitra Vahinala Raharinirina no sady mbola nizara atody 10 isan’olona ho an’ireto ECD ireto ; atody izay tolo-tanana avy amin’ny olona tsara sitrapo. Nambaran-dRamatoa minisitra tamin’izany fa tsy ataony ambanin-javatra ny fikarakarany ny mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Ministera ka antony nahafahana namoaka aloha ny karaman’izy ireo. Nampahatsiahiviny ihany koa fa raha misy ny olana eo amin’ny mpiara-miasa tsy ankanavaka dia vonona ny hifampidinika hatrany izy ary mivoha ho an’ny rehetra ny varavarany. Nankasitraka izao fandraisana andraikitra izao ireo ECD nandray karama ireo ary vonona hatrany hifanome tanana amin’dRamatoa Ministra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT