Toekarena

Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola « Tsy anay ilay fiaramanidina nitondra ilay volamena »


  • Alakamisy 21 Janoary 2021

Nanoloana ny filazam-baovao iraisam-pirenena teo anivon’ny Africaintelligence.fr

 

 omaly izay nanambara fa an’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola Malagasy ilay fiaramanidina nitondrana ilay volamena milanja 73,5 kilao tratra tao Afrika atsimo farany teo dia namoaka fandavana izany filazana izany avy hatrany ity minisitera ity ny harivan’iny ihany. Nanamarika ity fanambarana nandavana izany ity fa ny STA na “service et transports aériens” dia orinasa na “société”. Amin’ny alalan’ny fitaterana an-tanety ihany koa, hoy hatrany ny fanamarihana, no hampifandraisana ireo fanaraha-maso atao amin’ny entana rehetra. Mikasika ny famatsiam-bola ho fitsinjarana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana any amin’ireo faritra saro-dalana kosa dia misy ny fifanarahan’ny minisitera amin’ireo orinasa misehatra anatin’izany. Nankinin’ny minisitera amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana amin’io orinasa voalaza teo io ny fitaterana izany ho an’ireo toeram-pandraisam-bola miisa 20, amin’ny alalan’ny fitaterana ana habakabaka. Miisa 32 ireo sidina natao ny taona 2020 noho izay fahasarotan-dalana izay. Nanamafy noho izany ity minisitera ity fa tsy nisy fifanarahana nataon’izy ireo tamin’ny STA na mombana resaka fitaterana entana io na resaka famatsiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT