Toekarena

Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ara-dalàna ny fanesorana ireo tale roa


  • Alarobia 03 Jona 2020

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 17 aprily teo ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin` ny “Contrôle Financier” sy ny ny tale misahana ny “comptabilité publique” eo anivon’ny ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola.

 

 

 

Fanontaniana maro no nipetraka manodidina izany tahaka ny hoe “iza no hanamarina ny volam-panjakana izay volam-bahoaka ihany koa? Sao dia hanjaka ny kolikoly?” Tao koa no filazana fa nisy ambadika politika izany satria sesilany ny vola niditra noho ny aretina coronavirus. “Tsy misy hidiran` ny politika ao ambadiky ny fanafoanana ny didy fanendrena ny tale jeneralin` ny “controle publique” sy ny tale misahana ny “comptabilité publique””, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny vola. Tsy misy afenina, hoy Richard Randriamandranto hatrany. Nanamafisin’ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa fa ara-dalàna ny dingana sy fepetra noraisina. Raha tsiahivina fa ireo Tale Jeneraly ambony nesorina ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampidirana sy ny famoaham-bolam-panjakana ary indrindra ny fanaraha-maso izany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT