Toekarena

Ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ahiana hiteraka kolikoly ny fanesorana ireo tale roa


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Ilaina hatrany ny fahaiza-mitantana sy ny fangaraharana indrindra manoloana izao hamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

 

Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, dia foana nesorina ny Tale Jeneralin’ny Contrôle Financier sy ny Comptabilité Publique. Eo no mampametra-panontaniana ny maro ny tena anton’izany satria ao anatin’ny fotoana tsy hiasan’ireo izany dia iza no hanamarina ny volam-panjakana izay volam-bahoaka ihany koa? Sao dia hanjaka ny kolikoly? Amin’izao fotoana izao anefa no tena mila aseho ny rehetra ny fikatsahana ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana. Efa nilaza ihany koa ny Minisitra tamin’ny fivoriam-ben’ny Fikambanan’ny Agents Comptables eo anivon’ny andrim-panjakana nasionaly EPN fa tsy maintsy iadivana hatrany ny endrika fanodikodinam-mbola rehetra izay tsy mahatafarina ny toekarena ary izany no maha-zavadehibe sy mahasaro-pady ny asa iandreketan’ireo mikirakira ny volam-panjakana rehetra. Tsiahivina fa ireo Tale Jeneraly ambony nesorina ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampidirana sy ny famoaham-bolam-panjakana ary indrindra ny fanarahana maso izany. Tokony ary inoana fa hisy ny fitondrana fanazavana mitombina sy mazava fa mbola manjavozavo amin’ny maro ny anton’ny fanapahan-kevitra mba hazava tsara ny fampiasana ny volam-panjakana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT