Toekarena

Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola Nentanina momba ny fitsipi-pitondran-tena ireo mpiasa


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

"Aleo miasa mafy toa izay tsy an'asa. Koa hajao ny asanao ary indrindra hajao ireo olom-pirenena tonga misitraka ny asanao". Izay no fehin'ny fitsipika napetraka ho an’ny mpiasa,

 

 

 

 araka izay novelabelarin` ny sekretera jeneralin` ny Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, amin` ny votoatin'ny didim-panjakana 2003-1158 tamin'ny 17 desambra 2003 mamaritra ny fitsipi-pitondran-tena tokony hananan'ny mpiasam-panjakana rehetra. Nandritra ny herinandro, mpiasan'ny MEFB miisa 1600, nizara ho 200, in-droa isan’andro, no tonga nihaino ny famerenana ity fitsipi-pitondran-tena ity izay notarihan’ ny sekretera Jeneralin'ny Ministera, niaraka tamin'ny filohan'ny solontenan'ny mpiasa sy ny talen'ny fitantanana ny mpiasa. Teboka 8 avy amin’ilay didim-panjakana no notsindriana manokana nandritra izany fihaonana izany: Maha matihanina eo am-panatanterahana ny asa; Fahavitrihana amin’ny fahatongavana miasa; Fahamendrehana sy fahamarinana; Fifanajàna sy Fifanampiana eo amin’ny sehatry ny asa; Tsy fitanilàna rehefa manatanteraka ny asa; Tsy fandraisana vola amin’ny asa atao; Hafainganana sy fahamalinana eo am-panatanterahana ny asa sahanina; Fanajàna ny tsiambaratelon’ny asam-panjakana sy ny mangarahara. Hitohy any amin'ireo toeram-piasana hafa ity fihaonana ity mandritry ny volana oktobra, ary hiparitaka isaky ny faritra amin'ny alàlan'ireo solotenan'ny mpiasa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT