Toekarena

Ministera sy sendikan’ny indostria Nifanaiky hanandratra ny vita Malagasy


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nisy omaly ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo anivon’ny ministeran’ny indostria sy ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara.

 

 

 Izy io dia fifanekena ny amin’ny mba hanandratana ny vita Malagasy ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara amin’ny alalan’ny marika na “label” Malagasy ny Antsika. Hisy noho izany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta mba hahatongavana haingana amin’ny fisandratan’ny indostria Malagasy isam-paritra sy distrika. Hanomboka eny amin’ireo magazay lehibe sy salantsalany ary toeram-pivarotana zavatra ilaina isan’andro ny fanentanana momba ity Malagasy ny Antsika ity ny 20 oktobra ka hatramin’ny 20 novambra izao, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy koa ny lalao isan-karazany ao amin’ny pejy Facebookn’izy ity ary natao hahazoana loka isan-karazany, hoy hatrany ny voambara. Ho hita eo ny vokany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT