Toekarena

Minisitry ny vola Niantso fanalefahana ny fitrosana


  • Talata 07 Martsa 2023

Ao anatin’ny fiatrehana ny fivoriana sy adihevitra momba ny fanovana ny rafitra entina hampandrosoana fireenena na “Transformation Structurelle comme moteur de la prospérité” tanterahina any Doha,

nanao antso avo amin'ireo firenen-dehibe ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ramatoa Minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Niantso manokana ny hijeren'izy ireo akaiky ny fepetra fampindramam-bola ho an’ny firenena marefo ary hanafoana mihitsy ny trosa efa nitatao nandritry ny taona maro nifanesy mba afahan’ireo firenena ireo manana vola ampisaina ho an’ny famokarana. Manamafy izany ny Fanjakana Malagasy fa tena tsy afa-miala amin’ny findramam-bola, ary maneho fa firenena marefo fa tsy arakaraka ilay fomba firesaky ny Filoham-pirenena sy ny ekipany fa efa ao anatin’ny fandrosoana. Tsy araka ilay propagandy sy adihevitra tamin’ny 2018 ihany koa fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza ny fitrosana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra,… Nandritra io fotoana io ihany koa moa no nizaran-dRamatoa Minisitra ny politikam-pampandrosoan'i Madagasikara izay nambara fa mifototra amin’ny indostria, ary neken'ny rehetra fa fototry ny fanovana rafitra izany. Anisan'ny notanisainy tao ny politikan'ny ODOF (One District One Factory), ny tetikasa Fihariana, ny Fanodinana ireo Harena an-kibon'ny tany eto an-toerana, ary ny indostria manodina sakafo mba iadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. Ohatra amin'izany ny Nutriset, izay nambara fa mamokatra sakafo ho an’ny zaza voan’ny KERE any atsimo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT