Toekarena

Minisitry ny tontolo iainana “Homen-danja ny fambolen-kazo mamaly ny filàna ifotony”


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Eo an-dalam-panomanana ny fambolen-kazo manaraka isika izao, hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina.

 

Araka ny politikan’ny MEDD dia fambolen-kazo mamaly ny filàna ifotony no imasoana, ary ireo karazan-kazo izay tsy manimba tany no ezahina hovolena. Ny fambolenkazo rehetra atao ihany koa dia mitanjona ny hamerina ireo ala simba sy ahiana ho lany tamingana. Miankina amin’ny filàna isam-paritra araka izany ny voly hazo atao fa mamporisika ny olom-pirenena izahay eto amin’ny MEDD mba tsy hanadino ireo hazo fihinam-boa. Ohatra iray azo tahafina ny ao amin’ny valan-javaboaharin’Antrema izay voasokajy ho faritra mando araka ny fifanarahana tany Ramsar. Ny Rofia, isan’ireo harena ao aminy, dia manampy betsaka amin’ny fihazonana hamandoana amin’ireo heniheny. Seha-pihariana manokana ihany koa ny rofia ary tena mampidi-bola ho an’ireo mponina ao an-toerana satria akora fampiasa amin’ny asa tànana toy ny rary. Azo ampiasaina amin’ny tao trano koa ny rofia ary ny voany dia azo atao sakafo,… Mitohy ny fiantsoana fiaraha-mientana mba hanatrarana ny vina fahamaitsoan’i Madagasikara anatin’ny 10 taona manaraka. Ny vahoaka ifotony, ny olom-pirenena tsirairay, ny fikambanana tsy ankanavaka, ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana, ny mpitondra ary ny Minisitera isan-tokony dia antsoina hifanome tànana amin’izany, hoy ny MEDD.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT