Minisitry ny toekarena

sy ny fitantanam-bola


  • Alarobia 14 Janoary 2026

Miverina ny fifampatokisana,

azo lazaina ho salama ny kitapom-bola »
Marefo sy mbola marary ny toekarena Malagasy, tombanana ho 3,5% monja ny tahan’ny harin-karena faobe, raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Dr Ramiarison Herinjatovo omaly. Ny sehatra ara-pambolena sy fiompiana dia niakatra 1,3%, raha ny indostria kosa nidina -0,7%. Ny fizahan-tany no naneho fiakarana, teo amin’ny 4,2%. Nanomboka tamin’ny 2009, ny fiakarana dia 2,9% isan-taona ihany, izay tena ambany be ary fihemorana. Ambany lavitra raha ampitahaina amin’ny salan’isa aty Afrika atsimon’i Sahara, ka ampahadimy monja ny famokarana eto Madagasikara. Naneho ity Minisitra ity, fa mila ezaka lehibe amin’ny fanentanana sy fanatsarana ny vitri-pamokarana, indrindra amin’ny fanomezana vahana ny sehatra tsy miankina isika. Ezaka lehibe ho an’ny Fitondrana ankehitriny noho izany raha ny nambarany ny fametrahana fifampatokisana eo amin’ny tsy miankina sy ny Fanjakana, ary eo amin’ny Fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana ny « climat des affaires » na ny tontolo ara-pandraharahana, izay manome antoka amin’ny famokarana sy ny fampiasam-bola. Hafantoka amin’ny sehatra tsy miankina ny politika vaovao, satria ireo no tena fototry ny toekarena. Nomarihiny fa teo aloha nisy ny teritery toy ny famolosana ara-ketra na « redressement fiscal » ho an’ny famokaran’ireo sehatra tsy miankina. Tamin’ny fitantanana, ambany ny famoaham-bola, tsy ampy politika mazava momba ny fandaniam-bola, ka nihazohazo ny mpamatsy vola. Ankehitriny kosa, nambarany fa miverina ny fifampatokisana, ary vonona ny Banky Iraisam-pirenena, FMI, BAD, ary ireo fiaraha-miasa iraisam-pirenena hanampy amin’ny fampandrosoana, ary nanaiky ny hampifanarahana an’izany tena hifanaraka amin’ny filàn’i Madagasikara. Manamafy ny tan-dalàna kosa ny Fanjakana, ka napetraka ny « tolérance zéro » amin’ny kolikoly sy ny fandaniam-bola tsy ara-dalàna. Natsangana ny « task force » ao amin’ny ladoany sy ny hetra. Vokany, niakatra avy amin’ny 3793 miliara Ar ho 3966 miliara Ar mitaha ny 2024, izany hoe +195 miliara Ar na 5%. Raha ampitahaina amin’ny roa volana faran’ny 2024 ny roa volana farany teo, niakatra 15% izany, nahazoana 103 miliara Ar noho ny ady hentitra amin’ny hosoka sy kolikoly,... Niakatra 5,84% ihany koa ny hetra, ka tamin’ny 28–31 oktobra 2025 dia niditra 1147,8 miliara Ar, izay 22,4% tamin’ny hetra rehetra ho an’ny taona 2025.Voafehy ihany koa ny vidim-piainana: 9,1% ny fiakarana tamin’ny janoary 2025, nidina ho 7,2% tamin’ny desambra 2025, ary tombanana ho 8% amin’ity 2026 ity. Ny kitapombolam-panjakana dia azo lazaina ho salama, satria ny « déficit budgétaire » na elanelan’ny famoahana volam-panjakana izay ambony noho ny fampidiram-bola dia 3% monja, latsaky ny 3,5% amin’ny harin-karena faobe, izay fenitra eken’ny mpiara-miombon’antoka ho marina fa raha mihoatra be an’io dia eo ilay ilazany fa manao fandaniana be, hoy ny Minisitry Dr Ramiarison Herinjatovo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT