Toekarena

Minisitry ny toekarena “Mandresy lahatra ny FMI hanampy antsika isika”


  • Talata 12 Janoary 2021

Notontosaina omaly taorian'ny fananganan-tsaina teo anivon’ny Ministeran’ny

 

 

 

 

Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fifampiarahabana amin’ny nahatrarana ny taona vaovao 2021, teo amin'ny Minisitra Atoa Richard Randriamandrato notronin'ireo tompon'andraikitra mpitantana maro isan-karazany sy ny mpiara-miasa. Amin’ny fanajàna ny maha ray aman-dreny azy, nisy ny fanolorana solom-bodiakoho sy mari-pahatsiarovana avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’izany. Nampahafantatra ny firosoana amin’ny fikarakaràna mahakasika ny fifandresen-dahatra miaraka amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena, izay anisany hamaritra ny fanampiana ara-bola ho an’ny firenena ato anatin'ny telo taona ho avy. Nanolotra fisaorana ho an’ny mpiara-miasa rehetra izy ary nanamafy ihany koa ny tsy maintsy hanajàna ny fanarahana ireo fepetra hiadiana amin’ny valan’aretina covid 19. Taorian’izay dia nisy ny fanolorana ny toeram-pidiovana sy fisoloana akanjo ho an’ireo mpanao fanatanjahan-tena ato amin'ny ministera. Voaresaka tamin'izany fa handray anjara amin'ny fitandroana izao fotodrafitrasa izao ny ASCAL, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT