Toekarena

Minisitry ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana « Betsaka ny asa natao ary maro no mbola miandry »


  • Talata 02 Jona 2020

Mbola maro be ireo andraikitra miandry eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana (MICA) na dia efa nisy aza ny natomboka hoy ny

 

 

 

Minisitra Lantosoa Rakotomalala nandritra ny fanolorana ireo tatitra rehetra vita tamin’ireo mpanao gazety tetsy amin’ny Birao Ambohidahy. Na dia teo aza ny valan’aretina Coronavirs dia nisy hatrany ny fanarahana ireo drafitr’asa rehetra napetraka hoy izy. Anisan’izany ireo dingan’asa miisa 4 izay nampiroboroboana ny Indostria isam-paritra nametrahana ireo orinasa eo anivon’ireo distrika. Singanina manokana amin’ireo ny fametrahana Orinasa Madinika sy Salantsalany (PME) miisa 10 izay misehatra amin’ny fanodinana vokatra. Nisy ihany koa ny ezaka ny amin’ny fananganana ny faritra Indostrialy tahaka ny efa misy any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana izay nanaovana fanadihadiana manokana teny anivon’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana. Anisan’izany ny nametrahana ny faritra indostrialy mahakasika ny lamba ao Moramanga sy ny faritra hanaovana fandraharahana ho an’ny Indostria (Zone d’investissement Industriel) any Itasy. Ity farany izay nanampiana manokana ny orinasa mpanodina vokatra. Mahakasika ny varotra kosa dia nanambara ny Minisitra fa narindra araka ny tokony ho izy ny famatsiana ireo tsena ka nirary hatrany ny vidin’entana hatreto. Napetraka tamin’ny toerany ireo mpanjifa ho izy ary sambany ny nankalazana ny andro iraisampirenena ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Natsangana ny tranoben’ny mpanjifa ary nisy ny fitsinjovana ny fanondranana entana mankany ivelany. Amin’izany no nanohanana sy nandrindrana sehatr’asa miisa 3 : ny menaka sarobidy (huiles essentielles), ny lamba ary ny lavanila. Nilaza ihany koa ny Minisitra fa nohon’ny ezaka natao sy ny fidinana ifotony no antony tsy nampiakatra ny vidin’ny vary sy ireo entana ilaina andavan’andro (PPN) nandritra izao krizy izao ary tsy maintsy tohizana ny ezaka hoy hatrany ny tenany.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT