Toekarena

Minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola Tombony ny azo amin’ny “contrôle après dédouanement”


  • Zoma 14 Desambra 2018

Tsy misy fatiantoka ho an’ny sehatra tsy miankina, indrindra ny mpandraharaha, ny fanaraha-maso aorian’ny fandoavana fadin-tseranana (contrôle après dédouanement).

 

 

 

Nisy ny fifandresen-dahatra nataon’ny teo anivon’ny mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ireo mpandraharaha tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina tamin’ny alarobia 12 desambra lasa teo. Amin’izao fotoana izao tokoa mantsy dia tsy maintsy atao ny fanaraha-maso rehefa avy mandoa hetra sy mandoa ny fadin-tseranana ny mpandraharaha. Tombony izany, hoy ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona, satria hanamora ny fandalovana sy ny famoahan’ny entana hafarana  ao amin’ny fadin-tseranana mba tsy ho ela izany. Fanamafisana ny maha ara-dalàna ihany koa ny entana tonga io fanaraha-maso atao io mba hialana amin’ny hosoka izay mety hiteraka fifaninanana tsy ara-drariny mampikaikaika ny sehatra tsy miankina. Nanambara ihany koa ny minisitra fa raha misy tratra amin’ny tsy fanarahan-dalàna dia mandoa lamandy ka alefa avy hatrany any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola azo. Ezaka atao iza hanatsarana hatrany ny fampidiram-bolan’ny fadin-tseranana ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana na dia efa tsara aza ny vokatra tamin’ity taona 2018 ity. Nanamarika ihany koa ny minisitra fa noezahina tsy nokitikitihana sy novaovaina mihitsy ny karazan-ketra sy ny fadin-tseranana ary ireo taha manodidina izany nohon’ny fangatahan’ny sehatra tsy miankina mba tsy hanahirana azy ireo ny amin’ny fandraharahana ataony.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT